He! Ry namako mahantra

 


He! Ry namako mahantra, Indro Jeso tompo tia,
Lay mpamonjy feno antra, No mitady ny mania,
Olom –bery tsy mba foiny, ka na diso aza re,
Mbola tia ny sy antsoiny Hanam-pifaliam-be.
Mbola tia ny sy antsoiny Hanam-pifaliam-be.


He! Fa tsy mba misy fetra, Ny homena lova soa,
Fa ny olona rehetra, Samy tiany avokoa;
Nefa izay be hataka andro, Dia hanenina tokoa;
Misy fetra ny fotona, Azo amindrana fo.
Misy fetra ny fotona, Azo amindrana fo.


Manatòna ankehitriny, Ry mpanota ory fo!
Mba hesoriny ny tsiny, Ka hadio indray ny fo;
Fa ny ota hosasany, Dia ho afaka avokoa,
‘Zany re no fikasany, Ka tsy maintsy to tokoa.
‘Zany re no fikasany, Ka tsy maintsy to tokoa.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *