Ry Betlehema kely ô!

 


1. Ry Betlehema kely ô!
Sondrian-tory ve?
Kanefa injay miseho ao
Ny hazavana be.
Ny toky sy ny tahotra
Mihaona ankehitrio,
Fa Kristy Mpanavotra
No teraka anio


2. Ry kintana maraina ô!
Fitarik’andro soa,
Toria fa tonga aty izao
Ilay Mpanjaka soa!
Ka he! ny voninahitra
Ho an’Andriamanitra!
Fiadanana tsy tapitra
Ho an’ny olona!


3. Endrey, mangina fatratra
Ny fampidinana
Ny fitahian-danitra
Am-pon’ny olona!
Tsy misy tabataba re,
Na horakoraka.
Kanefa Kristy tonga anie
Am-po mangoraka!


4. Rankizy hendry sy madio
Tsarovy Kristy izao
Fa Izy tonga aty anio
Mba ho monjinao.
Na misy aza ny manjo,
Izao Noely izao
No saino fatratra ao am-po
Hampionona anao!


5. Ry Zaza Masina sy soa,
Ry Zanak’i Maria,
Ry Tomponay, Mpamonjy koa,
Midina re aty.
Ny feon’ny lanitra no re,
Indray Noely izay,
Nitondra teny soa hoe:
Hianao no Avotray!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *