Ny foko ry mpamonjy

 


1. Ny foko, ry Mpamonjy,
Mangetaheta Anao ;
Maniry lalandava
Hikambana aminao !


Fiv :
Tsy afaka ao am-poko
Ny faniriana Anao ;
Oneno re ny foko
Ho lapanao !


2. Ny androm-pahoriana,
Raha lapanao ny fo,
Manjary fitahiana
Izay manadio ny fo !


3. Ny ora fifaliana
Raha ao anilanao,
Mamelom-paniriana
Hanao ny sitrakao !


4. Ho lao ny fahotako
Raha akaikezinao,
Tsy misy hadalako
Izay tsy afakao !


5. Finaritra ny saiko
Raha ipetrahanao,
Fa reraka ny aiko
Raha alavirinao !

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *