Raha mijery ny hazo

 


1. Raha mijery ny hazo
Nijalian’i Jesosy
Tsy misy izay malaza
Na izay mirehareha.


2. Aza miavonavona,
Fa indro ny Mpananvotra;
Ny dian’ny Jesosy Kristy
No arahina isan’andro.


3. Indro ny rany mandeha,
Voahombo ny tanany
Nijaly, ka dia maty
Nisolo olo-meloka.


4. Raha ahy ‘zao tany ‘zao
Sy ny aminy rehetra,
Tsy ho azoko havaly
Ny fitiavan’ny Jeso.


5. ny foko homeko Azy,
Fanahiko atolotro;
Tsy mba mendrika Azy ‘zany,
Fa Jeso no mety mandray.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *