Momba anay, ry Jeso Tompo o

 

1. Mombà anay, ry Jeso Tompo ô !
Fa maizina ny alina aty;
Tsy misy vonjy raha tsy aminao;
Mpamonjy tia ô ! Mombà anay !


2. Mandalo koa ny andronay ety ,
Ka mihalò ny fifalianay;
Miovaovao izao rehetra izao;
Ry tsy miova ô ! Mombà anay.


3. Aza mba mivahiny aminay,
Aza mihevitra ny helokay;
Aoka ho be ny famindranao fo;
Ry Jeso Tompo ô ! Mombà anay.


4. Tsy mahaleo tena izahay,
Fa mora resy, mora kivy koa;
Ry Jeso Tompo ! Aoka honenanao
Ety an-dasin’ny mpanomponao.


5. Ny teninao no fifalianay;
Ny masonao mitari-dalana;
Ary ny herinao no tanjakay;
Sakaiza tsara ô ! mombà anay.


6. Izay ombanao afa-tahotra,
Tsy mety kivy na mamoy fo ;
Tsy misy fahoriana izay
Haninona ny fo arovanao.


7. Rehefa tonga ny fotoana
Hitànay ilay ony maizina,
Aoka ny tavanao hazava ao,
Amin’izany re mombà anay.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *