Midera ny Anaranao

 


1. Midera ny Anaranao
‘Zahay, ry Tompo ô!
Ka hira no ventesinay
Hoe: haja, saotra, hery,
Mba raiso ho Anao.


2. He! Voahombo Hianao
Nisolo heloka,
Ka mendrika hanaovanay
Hoe: haja, saotra, hery,
Mba raiso ho Anao.


3. Endrey! Ny fitiavanao
Endrey! Ny herinao,
Tra-pamonjena izahay,
Ka haja, saotra, hery
Mba raiso ho Anao.


4. Raha tonga ao an-danitra
‘Zahay mpanomponao,
Hitohy re ny hiranay
Hoe: haja, saotra, hery.
Mba raiso ho Anao

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *