Injany, hiran danitra

 


1. Injany hiran-danitra
Misasak’alina;
Lokanga volamena e,
Tendren’ny masina!
Ny tany dia nangina re,
Nandre ny hira vao;
Ho an’ny olona anie
Ny fiadanana.


2. Ny hiran’ny anjely re
Tsy mba mitsahatra,
Ary ambony rahona,
Ireo masina
Mitendry ny lokangany
Am-pihobiana!
Ho an’ny olona anie
Ny fiadanana!


3. O! ry mivesatra entana,
Ry malahelo ô!
Mba andrandrao ny lanitra,
Henoy ny hira vao!
Ny hiran’ny anjely re
Dia mampiadam-po.
O! mitsahara hianao
Hihaino azy izao!


4. Ny andron’ olombelona,
He fandalovana!
Kanefa hisy tany vao
Izay haharitra.
Endrey ny fiadanana
Ary rahatrizay!
Ny hiran’ny anjely re
Hiredona indray!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *